Obadia
Toko 1
- 1[Ny fahitan’i Obadia ny amin’ny handravana an’i Edoma mbamin’ny jentilisa sasany noho ny ratsy nataony tamin’ny Isiraely, ary ny hampiorenana ny fanjakan’i Jehovah any Ziona] Ny fahitan’i Obadia. Izao no lazain’i Jehovah Tompo ny amin’i Edoma: Nahare filazana avy tamin’i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
- 2Indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
- 3Ny avonavon’ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin’ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
- 4Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
- 5Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
- 6Endrey ny fitady ny an’i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
- 7Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin’ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
- 8Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’i Esao?
- 9Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin’ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr’i Esao.
- 10Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
- 11Tamin’ilay andro namitsahanao* teny am-pita, Tamin’ny andro namaboan’ny vahiny ny fananany, Sy nidiran’ny hafa firenena teo amin’ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an’i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin’ireny koa ianao.[Heb. nijanonanao]
- 12Aza finaritra mijery ny andron’ny rahalahinao amin’ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin’ny taranak’i Joda amin’ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin’ny andro fahoriana
- 13Aza miditra amin’ny vavahadin’ny oloko amin’ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin’ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin’ny andro ahitany loza
- 14Aza mamitsaka* eo amin’ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin’ny andro fahoriana.[Heb. mijanona]
- 15Fa efa antomotra amin’ny jentilisa rehetra ny andron’i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
- 16Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan’ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
- 17Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak’i Jakoba hahalasa ny fananany.
- 18Ny taranak’i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
- 19Ny any amin’ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr’i Esao;Ary ny any amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka* no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin’ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an’i Gileada. [Heb. sefela]
- 20Ary ny babo amin’izao Zanak’Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo* tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin’ny tany atsimo. [Na: marobe izao, izay any amin’ny Kananita hatrany Zerefata, sy ny babo, etc..]
- 21Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr’i Esao; Ary ho an’i Jehovah Jon 1:1
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.