Filemona
- 1[Fiarahabana an’i Filemona, sy fifonana ho an’i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an’i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
- 2ary mamangy an’i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
- 3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- 4Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ny fivavahako,
- 5satria reko ny fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra, [* Na: ny finoanao]
- 6mba hiasa mafy ho an’i Kristy ny fiombonana avy amin’ny finoanao amin’ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
- 7Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina, ry rahalahy.
- 8Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’i Kristy handidy anao amin’izay mendrika aza aho,
- 9nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy* sady mpifatotra an’i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [* Na: ambasadôra]
- 10Eny, miangavy aminao aho ny amin’ny zanako, izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa]
- 11ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
- 12izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ny aiko;
- 13saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ny fifatorako noho ny filazantsara;
- 14nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ny sitrapo.
- 15Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
- 16tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ny nofo, na amin’ny Tompo.
- 17Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
- 18Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
- 19izaho Paoly no manoratra izany amin’ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
- 20Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’i Kristy.
- 21Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
- 22Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
- 23Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’i Kristy Jesosy,
- 24sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
- 25Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.