Joba
Toko 1
- 1[Ny amin’ny toetr’i Joba sy ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin’ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
- 2Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
- 3Ary ny fananany dia ondry aman’osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
- 4Ary fanaon’ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an’androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
- 5Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.
- 6Ary tamin’ny indray andro nony avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
- 7Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an’i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.
- 8Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
- 9Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?
- 10Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ondriny.
- 11Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza* izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
- 12Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’i Jehovah.
- 13Ary tamin’ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon’ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
- 14ary nisy iraka tonga tany amin’i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
- 15dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 16Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon’Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman’osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 17Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 18Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa;
- 19ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 20Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin’ny tany ka niankohoka
- 21sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah
- 22Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’Andriamanitra.
Toko 2
- 1[Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an’i Joba, sy ny namangian’ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin’ny indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’i Jehovah.
- 2Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.
- 3Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
- 4Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho-fefin’ny ainy.
- 5Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
- 6Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
- 7Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’i Jehovah ka namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany.
- 8Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
- 9Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
- 10Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba.
- 11Ary rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
- 12Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ny lanitra hiraraka amin’ny lohany.
- 13Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ny tany hafitoan’andro sy hafitoan’alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
Toko 3
- 1[Ny fitarainan’i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
- 2nanao hoe:
- 3Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
- 4Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
- 5Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]
- 6Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ny andron’ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ny isan’ny volana;
- 7Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
- 8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
- 9Aoka ho maizina ny kintan’ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ny maraina izy,
- 10Satria tsy nanidy ny varavaran’ny kibon’ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ny masoko.
- 11Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
- 12Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
- 13Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
- 14Teo amin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe]
- 15Na teo amin’ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
- 16Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
- 17Any no itsaharan’ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
- 18Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ny mpampiasa izy.
- 19Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ny tompony.
- 20Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’izay latsaka amin’ny fangidiana?
- 21Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
- 22Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
- 23Dia olona izay mandeha ao amin’ny maizina sady voafefin’Andriamanitra manodidina.
- 24Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
- 25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
- 26Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
Toko 4
- 1[Ny teny voalohany nataon’i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
- 3Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
- 4Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
- 5Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
- 6Tsy ny fivavahanao* va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
- 7Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
- 8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
- 9Ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ny fahatezerany no mahalevona azy.
- 10Ny feon’ny olona, eny, ny feon’ny liona masiaka, ary ny nifin’ny liona tanora dia ombotana;
- 11Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
- 12Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
- 13Tamin’ny eritreritra avy amin’ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
- 14Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
- 15Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
- 16Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
- 17Ho marina noho* Andriamanitra va ny zanak’olombelona? Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan’]
- 18Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
- 19Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ny vovoka no nihaviany*, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin’ny vovoka fiorenany]
- 20Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
- 21Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
Toko 5
- 1Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ireo masina no hotodihinao?
- 2Fa ny adala dia vonoin’ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ny fialonana.
- 3Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
- 4Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
- 5Ny vokatry ny taniny dia lanin’ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
- 6Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ny tany ny fahoriana,
- 7Nefa teraka ho amin’ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ny kilalaon’afo miakatra
- 8Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
- 9Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
- 10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ny tany ary mampandeha rano eny amin’ny saha,
- 11Ka apetrany amin’ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ny fahafinaretana ny miory,
- 12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
- 13Ny fahafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ny mpiolakolaka dia rava;
- 14Na dia amin’ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ny maizina ireny ka miraparapa amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny alina;
- 15Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ny tanan’ny mahery izy.
- 16Dia misy fanantenana ho an’ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
- 17Indro, sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ny Tsitoha;
- 18Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
- 19Amin’ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
- 20Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ny sabatra Izy;
- 21Hampiereny tsy ho voan’ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
- 22Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
- 23Fa vita fanekena amin’ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
- 24Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
- 25Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ny tany;
- 26Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoana.
- 27Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
Toko 6
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ny mizana izy sy ny fahoriako!
- 3Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
- 4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
- 5Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ny fihinany?
- 6Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’atody*? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]
- 7Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
- 8Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’Andriamanitra ahy anie izay iriko!
- 9Ka ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
- 10Dia hahita fiononana amin’izany aho ka hiravoravo na dia amin’ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ny Iray Masina aho.
- 11Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny androko]
- 12Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
- 13Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
- 14Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
- 15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
- 16Izay mainty azon’ny ranomandry Sady iafenan’ny oram-panala;
- 17Fa raha taninin’ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ny fitoerany izy;
- 18Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
- 19Ny antokon’i Tema mitazana, ny andian’i Sheba manantena azy;
- 20Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
- 21Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
- 22Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ny fanananareo,
- 23Ary vonjeo amin’ny tanan’ny fahavalo aho, ka afaho amin’ny tanan’ny mpitohatoha?
- 24Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
- 25Endrey ny herin’ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
- 26Ny amin’ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ny rivotra ny tenin’ny olona mamoy fo.
- 27Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
- 28Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
- 29Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
- 30Moa misy heloka va eo amin’ny lelako?
Toko 7
- 1Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona etỳ ambonin’ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny?
- 2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ny asany,
- 3Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
- 4Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ny andro.[Heb. hariva]
- 5Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
- 6Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
- 7Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
- 8Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
- 9Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin’ny fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
- 10Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
- 11Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny aiko.
- 12Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
- 13Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
- 14Dia mampitahotra ahy amin’ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ny tsindrimandry;
- 15Ka dia aleon’ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako* izato;[Heb. taolako]
- 16Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
- 17Inona moa ny zanak’olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
- 18Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
- 19Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
- 20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
- 21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Toko 8
- 1[Ny teny voalohany nataon’i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
- 2Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
- 3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
- 4Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
- 5Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’Andriamanitra ka mifona amin’ny Tsitoha.
- 6Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy* anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
- 7Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
- 8Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ny razany
- 9(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ny tany);
- 10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
- 11Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
- 12Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ny zava-maitso rehetra.
- 13Toy izany no lalan’izay rehetra manadino an’Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy]
- 14Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
- 15Miankina amin’ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
- 16Mitsimoka tsara tandrifin’ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ny tanimboliny;
- 17Mifelipelika mifaniditra eo amin’ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
- 18Kanjo nony fongorany hiala amin’ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
- 19Indro, izany ihany no fifalian’ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ny vovoka.
- 20Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
- 21Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
- 22Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ny ratsy fanahy.
Toko 9
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra?
- 3Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ny arivo aza.
- 4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
- 5Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ny fahatezerany,
- 6Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
- 7Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
- 8Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
- 9Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
- 10Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
- 11Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
- 12Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
- 13Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
- 14Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
- 15Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’Ilay manana ady amiko no hany heriko.
- 16Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
- 17Fa manorotoro ahy amin’ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
- 18Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
- 19Raha ny amin’ny herin’ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
- 20Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
- 21Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
- 22Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
- 23Raha misy loza* mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]
- 24Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
- 25Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
- 26Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha* izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]
- 27Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
- 28Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
- 29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
- 30Na dia mandro amin’ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ny ranon-davenona,
- 31Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’izay Hianao, ka hataon’ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
- 32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ny fitsarana.
- 33Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
- 34Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
- 35Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
Toko 10
- 1Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko
- 2Hanao amin’Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ny iadianao amiko aho.
- 3Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy?
- 4Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ny zanak’olombelona?
- 5Tahaka ny andron’ny zanak’olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ny olombelona ny taonanao,
- 6No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
- 7Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ny tananao?
- 8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
- 9Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ny vovoka indray Hianao!
- 10Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
- 11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ny taolana sy ny ozatra.
- 12Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
- 13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
- 14Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ny heloko.
- 15Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
- 16Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
- 17Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
- 18Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
- 19Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
- 20Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
- 21Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ny tanin’ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
- 22Ho any amin’ny tany maizim-pito, dia ny an’ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
Toko 11
- 1[Ny teny voalohany nataon’i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
- 2Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
- 3Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
- 4Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
- 5Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
- 6Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany* izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
- 7Takatry ny sainao va ny fomban*’Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an’]
- 8Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita*! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]
- 9Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
- 10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
- 11Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy*.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin’ny olona akory]
- 12Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona*.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]
- 13Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
- 14Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
- 15Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
- 16Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
- 17Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
- 18Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ahiahy.
- 19Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
- 20Fa ny mason’ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
Toko 12
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
- 3Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
- 4Tonga fihomehezan’ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an’Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
- 5Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin’izay ela mangozohozo ny latsa*.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an’izay efa ho tafintohina ihany]
- 6Mandry fahizay ny lain’ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ny tànany ho andriamaniny
- 7Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
- 8Ary makà saina* amin’ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin’ny hazo madinika]
- 9Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan’i Jehovah,[Na: Iza amin’ireny rehetra ireny no tsy mahalala]
- 10Izay mitana ny ain’ny zava-manan’aina rehetra sy ny fofonain’ny olombelona rehetra?
- 11Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
- 12Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
- 13Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
- 14Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
- 15Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
- 16Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
- 17Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ny mpitsara.
- 18Vahany ny fifehezan’ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
- 19Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
- 20Koroiny ny laha-tenin’ny mahay, ary ny fahazavan-tsain’ny anti-panahy dia esoriny.
- 21Mandatsaka fanamavoana amin’ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon’ny matanjaka.
- 22Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ny mazava.
- 23Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
- 24Mahavery saina ny loholona amin’ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
- 25Mitsapatsapa amin’ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
Toko 13
- 1Indro, izany rehetra izany efa hitan’ny masoko, ary efa ren’ny sofiko ka fantany.
- 2Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
- 3Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
- 4Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
- 5Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
- 6Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
- 7Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an’Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
- 8Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an’Andriamanitra va ianareo
- 9Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak’olombelona va Izy?
- 10Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
- 11Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
- 12Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
- 13Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
- 14Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho*.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
- 15Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
- 16Ary izao no ho famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]
- 17Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ny sofinareo ny filazàko.
- 18Indro, fa efa voatoriko* ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
- 19Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
- 20Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
- 21Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
- 22Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
- 23Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
- 24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
- 25Moa izay ravin-kazo indaosin’ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
- 26Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
- 27Dia mampiditra ny tongotro eo amin’ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin’ny tongotro dia feranao.
- 28Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin’ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin’ny kalalao.
Toko 14
- 1Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
- 2Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]
- 3kanefa amin’izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ny fitsarana*![Na: fitsaranao]
- 4Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
- 5Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
- 6Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*’ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]
- 7Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
- 8Na dia efa tonga antitra ao amin’ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ny vovoka ny fotony,
- 9Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
- 10Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
- 11Ny rano miala eo amin’ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
- 12Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ny torimasony.
- 13Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
- 14Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako*.[Na: fiovako]
- 15Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tananao Hianao.
- 16Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
- 17Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
- 18Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ny fitoerany;
- 19Lanin’ny rano ny vato; ary indaosin’ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ny zanak’olombelona.
- 20Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
- 21Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
- 22Ny mihatra amin’ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
Toko 15
- 1[Ny teny fanindroany nataon’i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ny rivotra avy any atsinanana va,
- 3Ary hamaly amin’ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
- 4Eny, foananao ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]
- 5Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan’ny fetsy aza ianao?]
- 6Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
- 7Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ny tendrombohitra va ianao?
- 8Isan’ny mpihevitra teo amin’Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
- 9Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
- 10Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
- 11Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ny fahalemem-panahy?
- 12Nahoana no dia entin’ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
- 13Ka miefonefona amin’Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
- 14Inona ny zanak’olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
- 15Indro, ireo anjeliny* aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
- 16Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
- 17Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
- 18Dia zavatra notorin’ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ny razany;
- 19Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
- 20Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ny androny rehetra, dia amin’ny taona rehetra voatendry ho an’ny lozabe.
- 21Feo mampitahotra no ren’ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
- 22Tsy manantena ho afaka amin’ny maizina izy; Andrasan’ny sabatra izy.
- 23Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
- 24Fahoriana sy fahaporitana* no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
- 25Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
- 26Mimaona amin’ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ny foitran’ampingany matevina,
- 27Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
- 28Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
- 29Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra* ambonin’ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin’ny tany toy ny vary efa vokatra]
- 30Tsy ho afaka amin’ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ny lelafo; ho levon’ny fofonain’Andriamanitra izy.
- 31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
- 32Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
- 33Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
- 34Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ny mpihatsaravelatsihy*, ary ho lanin’ny afo ny tranon’ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]
- 35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Toko 16
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
- 3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
- 4Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
- 5Mahazo mampahery anareo amin’ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ny molotro.
- 6Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
- 7Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
- 8Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao*, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
- 9Amin’ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
- 10Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
- 11Efa voatolotr’Andriamanitra ho amin’ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ny mpanota.
- 12Tamin’ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
- 13Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ny tany.
- 14Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
- 15Lamba fisaonana* no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]
- 16Ny tavako tera-menan’ny fitomaniana, ary eo amin’ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
- 17Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
- 18Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
- 19Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ny avo.
- 20Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’Andriamanitra kosa aho,
- 21Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’olombelona amin’ny sakaizako*.[Heb. sakaizany]
- 22Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
Toko 17
- 1Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
- 2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
- 3Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
- 4Fa ny fon’ireto dia voahidinao tsy hidiran’ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
- 5Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason’ny zanany.
- 6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
- 7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
- 8Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40
- 9Fa ny marina mifikitra tsara amin’ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
- 10Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
- 11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ny foko indrindra;
- 12Ny alina ataon’ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
- 13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita* fonenako ihany; Ao amin’ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
- 14Ny fasana* no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana]
- 15Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
- 16Midina any amin’ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
Toko 18
- 1[Ny teny fanindroany nataon’i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
- 2Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
- 3Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
- 4Ry ilay mamiravira tena amin’ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ny fitoerany?
- 5Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
- 6Ny mazava manjary maizina ao amin’ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
- 7Etena ny herin’ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
- 8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ny harato izy;
- 9Azon’ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ny tadivavarana
- 10Miafina ao amin’ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
- 11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ny alehany rehetra.
- 12Liana azy ny loza*, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin’ny mosary izy]
- 13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ny lahimatoan’ny fahafatesana.
- 14Ongotana hiala amin’ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
- 15Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ny lainy; Solifara no hafafy amin’ny fonenany.
- 16Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka* ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
- 17Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
- 18Roahina hiala amin’ny mazava ho any amin’ny maizina izy ary enjehina hiala amin’izao tontolo izao.
- 19Tsy manana fara mandimby eo amin’ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ny fonenany.
- 20Ny manjo azy dia italanjonan’ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
- 21Izany tokoa no anjaran’ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’Andriamanitra.
Toko 19
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?
- 3Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
- 4Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ny fa hadisoako.
- 5Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
- 6Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ny fandrika haratony.
- 7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
- 8Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ny lalana alehako.
- 9Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
- 10Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
- 11Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
- 12Miara-mandroso ny antokon’ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
- 13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
- 14Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
- 15Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
- 16Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ny vavako aho.
- 17Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ineny aho.
- 18Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
- 19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
- 20Ny taolako miraikitra amin’ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
- 21Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’Andriamanitra efa mikasika ahy.
- 22Nahoana no manenjika ahy tahaka an’Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ny nofoko?
- 23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ny boky ireny!
- 24Enga anie ka ho voasoratra amin’ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay izy!
- 25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin’ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany]
- 26Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an’Andriamanitra amin’ny nofoko aho]
- 27Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako]
- 28Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy]
- 29Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
Toko 20
- 1[Ny teny fanindroany nataon’i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
- 2Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho* ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]
- 3Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin’ny fahalalako.
- 4Tsy fantatrao va fa hatramin’ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ny tany,
- 5Dia vetivety foana ny firavoravoan’ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ny mpihatsaravelatsihy?44
- 6Fa na dia mipaka amin’ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ny rahona ny lohany,
- 7Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny* ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain’omby atainy]
- 8Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ny alina izy.
- 9Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
- 10Ny zanany hitambitamby amin’ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
- 11Ny taolany dia feno ny herin’ny fahatanorana*, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]
- 12Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin’ny lelany,
- 13Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin’ny lanilaniny ihany,
- 14Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon’ny vipera no ao anatiny.
- 15Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
- 16Ny poizin’ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan’ny menarana.
- 17Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
- 18Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
- 19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
- 20Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ny tiany indrindra izy.
- 21Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
- 22Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan’ny ory no hamely azy.
- 23Halefan’Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
- 24Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
- 25Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin’ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ny aferony; Lasa izy azon’ny fahatahorana mafy.
- 26Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ny lainy.
- 27Hambaran’ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
- 28Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ny andro fahatezerany.
- 29Izany no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra, sy lova voatendrin’Andriamanitra ho azy.
Toko 21
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
- 3Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
- 4Raha ny amiko, moa ny ataon’ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
- 5Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
- 6Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
- 7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
- 8Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
- 9Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’Andriamanitra tsy mamely azy.
- 10Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
- 11Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’osy izy, ka mikoriana ny zanany.
- 12Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ny feon-tsodina.
- 13Mandany ny androny amin’ny fahafinaretana izy; Amin’ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
- 14Kanefa anie ireo no manao amin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
- 15Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
- 16Indro, tsy avy amin’ny tenany* ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
- 17Indraindray foana no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’Andriamanitra fandrika ireny* noho ny fahatezerany,[Na: izaran’Andriamanitra fahoriana ho an’ireny]
- 18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ny tafio-drivotra.
- 19Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
- 20Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ny Tsitoha.
- 21Fa mampaninona azy moa ny amin’ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ny androny?
- 22Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb. avo]
- 23Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
- 24Feno ronono ny fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
- 25Ary ny anankiray maty amin’ny fahorian’ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
- 26Samy mandry ao amin’ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
- 27Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
- 28Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ny mpitohatoha*? Ary aiza ny lay fitoeran’ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
- 29Kanefa tsy mba nanontany tamin’ny mpandeha amin’ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga*, ambaran’Ireo hoe: [Heb. famantarana]
- 30Amin’ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
- 31Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy*? [Na: Azy]
- 32Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana* ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]
- 33Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ny maro tany alohany.
- 34Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
Toko 22
- 1[Ny teny fanintelony nataon’i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2Mahasoa an’Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
- 3Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
- 4Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ny fitsarana?
- 5Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
- 6Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ny mahantra*.[Heb. mitanjaka]
- 7Tsy nanome rano hosotroin’ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ny noana.
- 8Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
- 9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ny kamboty.
- 10Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
- 11Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
- 12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ny kintana, endrey ny hahavony!
- 13Nefa hoy ianao: Ataon’Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
- 14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ny lanitra Izy.
- 15Moa hizotra amin’ny lalana izay nalehan’ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ny olona ratsy fanahy.
- 16Izay nesorina alohan’ny androny, ka nindaosin’ny riaka ny fanorenany,
- 17Dia ireo izay manao tamin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ny Tsitoha atao ho anay*? [Heb. azy]
- 18Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy!
- 19Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
- 20Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ny afo.
- 21Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ny soa aminao.
- 22Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
- 23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
- 24Ario eny amin’ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
- 25Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao.[Na tsara, na azo amin’ny fisasarana]
- 26Fa amin’izany dia hiravoravo amin’ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’Andriamanitra.
- 27Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
- 28Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ny lalanao ny mazava.
- 29Raha misy mietry*, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]
- 30Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ny tananao no hamonjena azy.
Toko 23
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Mbola atao ho fikomianao* ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ny fisentoako.[Na: mangidy]
- 3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ny fitoerany aza!
- 4Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
- 5Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
- 6Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
- 7Fa amin’izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin’ny Mpitsara ahy.
- 8Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
- 9Mianavaratra amin’izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
- 10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
- 11Ny tongotro nifikitra tamin’ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
- 12Ny didin’ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na: anjara-haniko]
- 13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ny fanahiny dia ataony.
- 14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
- 15Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
- 16Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
- 17Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin’ny tavako Izy]
Toko 24
- 1Nahoana no tsy misy fotoan’andro voatendrin’ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ny mahalala Azy izany androny Izany?
- 2Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ondry sady miandry azy.
- 3Mandroaka ny borikin’ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ny mpitondratena ho tsatòka.
- 4Manosika ny mahantra hiala amin’ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ny tany.
- 5Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ireny ho amin’ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ny zanany.
- 6Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
- 7Mandry mitanjaka amin’ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ny hatsiaka;
- 8Kotsan’ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
- 9Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin’ny ory.
- 10Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
- 11Manao diloilo eo anatin’ny tambohon’ny mpampahory azy* izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon’ireny]
- 12Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ny voalefona; Nefa tsy ahoan’Andriamanitra akory ny ratsy atao.
- 13Ireny no mpikomy amin’ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ny alehany.
- 14Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
- 15Ny mason’ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
- 16Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
- 17Fa ny aizim-pito* no marainan’ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ny aizim-pito* izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]
- 18Mitsinkafona paohin’ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ny tany; Tsy mivily ho amin’ny lalana mankeny amin’ny tanim-boaloboka izy.
- 19Toy ny andevonan’ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ny fiainan-tsi-hita* ny mpanota.[Heb. Sheola]
- 20Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy*,[Heb. faharatsiana]
- 21Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
- 22Kanefa halavain’Andriamanitra amin’ny heriny ny andron’ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
- 23Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
- 24Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
- 25Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
Toko 25
- 1[Ny teny fanintelony nataon’i Bilidada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
- 2Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ny avo Izy.
- 3Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’iza no tsy ihoaran’ny Azy*? [Na: Amin’iza no tsy iposahan’ny fahazavany?]
- 4Ary aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
- 5Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
- 6Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’olombelona, izay olitra.
Toko 26
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
- 3Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
- 4Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’izay no nivoaka avy tao aminao?
- 5Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ny rano sy any ambanin’ny mponina any.
- 6Ny fiainan-tsi-hita* miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola]
- 7Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ny tsy misy.
- 8Fonosiny amin’ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ny rahona tsy mety triatra.
- 9Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ny amelarany ny rahony hanarona azy.
- 10Asiany faritra manodidina eny ambonin’ny rano. Hatramin’izay ihaonan’ny mazava sy ny maizina.
- 11Ny andrin’ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ny teny mafy ataony.
- 12Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba*; [Izahao ix. 13]
- 13Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
- 14Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Toko 27
- 1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
- 2Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
- 3Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’Andriamanitra.
- 4Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
- 5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
- 6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza.
- 7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
- 8Fa inona no fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka* tsoahan’Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
- 9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
- 10Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’Andriamanitra mandrakariva va izy?
- 11Hampianatra anareo ny amin’ny tànan’Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ny hevitry ny Tsitoha.
- 12Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
- 13Izao no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra, sy lovan’ny lozabe raisiny avy amin’ny Tsitoha:
- 14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
- 15Ny ankohonany sisa dia hasitrik’Ifahafatesana*, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]
- 16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
- 17Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
- 18Manao ny tranony tahaka ny an’ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ny mpiandry voly;
- 19Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
- 20Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ny tafio-drivotra izy;
- 21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ny fitoerany;
- 22Asian*’Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ny tànany izy;[Heb. Torahan’, na Tifirin’]
- 23Tehafin’ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ny fonenany*.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]
Toko 28
- 1Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
- 2Ny vy dia alaina avy amin’ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ny vato.
- 3Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ny faran’ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
- 4Mihady lavaka mihalavitra amin’izay itoeran’olona izy ka tsy ampoizin’ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
- 5Ny tany no ihavian’ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
- 6Fitoeran’ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
- 7Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ny mason’ny voromahery,
- 8Sady tsy nodiavin’ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ny liona masiaka.
- 9Maninjitra ny tànany amin’ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ny fotony;
- 10Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ny masony avokoa.
- 11Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ny mazava.
- 12Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ny fahalalana?
- 13Tsy misy zanak’olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izy.
- 14Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
- 15Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
- 16Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
- 17Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
- 18Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
- 19Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
- 20Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ny fahalalana?
- 21Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany ary takona amin’ny voro-manidina.
- 22Hoy Abadona* sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]
- 23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
- 24Fa Izy no mitsinjo hatramin’ny faran’ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ny lanitra rehetra izao,
- 25Ka manendry ny lanjan’ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ny famarana.
- 26Raha nanao lalana ho an’ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ny helatry ny kotrokorana,
- 27Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
- 28Dia hoy Izy tamin’ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ny ratsy no fahalalana.
Toko 29
- 1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
- 2Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ny andro niarovan’Andriamanitra ahy!
- 3Fony mbola nazava teo ambonin’ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ny maizina;
- 4Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ny laiko ny fisakaizan’Andriamanitra;
- 5Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako*;[Na: ny ankizilahiko]
- 6Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
- 7Raha niainga niakatra ho eo amin’ny vavahadin’ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
- 8Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
- 9Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
- 10Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ny lanilaniny.
- 11Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
- 12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
- 13Ny fisaoran’izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ny mpitondratena nampifaliko*.[Heb. nampihobiko]
- 14Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
- 15Efa maso ho an’ny jamba aho ary tongotra ho an’ny mandringa.
- 16Efa ray ho an’ny malahelo aho, ary ny adin’ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
- 17Namaky ny nifin’ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
- 18Dia hoy izaho: Eo amin’ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
- 19Ny fakako ho azon’ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ny sampako mandritra ny alina.
- 20Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
- 21Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ny fanolorako saina izy.
- 22Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ny teniko izy.
- 23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
- 24Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ny tavako ireo.
- 25Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
Toko 30
- 1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ireo izay nolaviko tsy ho isan’ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
- 2Eny, mampaninona ahy ny herin’ny tànan’ireo. Izay efa very fahatanjahana?
- 3Manjenjena* noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]
- 4Mitsongo anambodihena eo amin’ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ny anjavidy* no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
- 5Roahina tsy ho eo amin’ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
- 6Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
- 7Minananana eny amin’ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ny amiana.
- 8Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ny tany.
- 9Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
- 10Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
- 11Fa noketrahin’Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
- 12Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
- 13Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
- 14Toy ny fiditra eo amin’ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ny voarava no imaonany*.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]
- 15Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
- 16Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ny andro fahoriana aho.
- 17Ny alina mampahalò* ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]
- 18Noho ny haben’ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
- 19Eny, nanary ahy teo amin’ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
- 20Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
- 21Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ny tananao no andrafianao ahy.
- 22Aingainao ho eny amin’ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
- 23Fa fantatro fa hampodinao any amin’ny fahafatesana aho, dia any amin’ny trano fivorian’ny olombelona rehetra.
- 24Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ny rava*? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]
- 25Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
- 26Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
- 27Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
- 28Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro*; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin’ny hain’andro]
- 29Rahalahin’ny amboadia* aho Ary naman’ny ostritsa.[Na: jakala]
- 30Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana* ny taolako.[Heb. fahamainana]
- 31Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ny mitomany ny sodiko.
Toko 31
- 1Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy*? [Heb. virijina]
- 2Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ny Tsitoha any amin’ny avo?
- 3Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
- 4Moa tsy Andriamanitra* va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]
- 5Raha tàhiny nandeha tamin’ny fitaka aho na niezaka tamin’ny fahafetsena.
- 6(Enga anie ka holanjain’Andriamanitra eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
- 7Raha tàhiny nivily niala tamin’ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako:
- 8Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
- 9Raha tahìny adala tamin’ny vadin’olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho,
- 10Dia aoka kosa ny vadiko halain*’ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an’]
- 11Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara;
- 12Fa afo mandevona hatrany amin’ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
- 13Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
- 14Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
- 15Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
- 16Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ny malahelo ka nahapahina ny mason’ny mpitondratena,
- 17Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ny kamboty
- 18(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
- 19Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
- 20Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany*, ary tsy nanafàna azy ny volon’ondriko;[Heb. valahany]
- 21Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
- 22Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ny taolam-panaviko.
- 23Fa mampahatahotra ahy* ny loza avy amin’Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
- 24Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
- 25Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ny fananako sy noho ny nahazoan’ny tanako harena betsaka;
- 26Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ny fangarangarany izy,
- 27Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
- 28(Dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra Izay any ambony aho);
- 29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
- 30(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
- 31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ny henany*? [Na: Iza moa no tsy voky tamin’ny fianakaviany?]
- 32Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
- 33Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’i Adama* ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
- 34Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ny fokon’olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
- 35Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ilay manana ady amiko!
- 36Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
- 37Ny isan’ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ny zanak’andriana no hanatonako Azy.
- 38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
- 39Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain’ny tompony:
- 40Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’i Joba.
Toko 32
- 1[Ny teny nataon’i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
- 2Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’i Eliho, zanak’i Barakela, Bozita, avy amin’ny fokon’i Rama; eny, tamin’i Joba no nirehetan’ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
- 3Ary tamin’ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’i Joba*.[Na: teny havaliny an’i Joba hanamelohany azy]
- 4Ary Eliho mbola niandry an-dr’i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
- 5Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
- 6ka dia niteny Eliho, zanak’i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
- 7Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ny taona no hampianatra fahendrena.
- 8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona sy* ny fofonoin’ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]
- 9Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
- 10Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
- 11Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
- 12Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
- 13Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony*: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]
- 14Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
- 15Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
- 16Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
- 17Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
- 18Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
- 19Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
- 20Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
- 21Aoka tsy hizaha tavan’olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
- 22Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ny Mpanao ahy faingana aho.
Toko 33
- 1Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
- 2Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
- 3Ny hitsim-poko no hiseho amin’ny teniko; Ary ny fahalalan’ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
- 4Ny Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy.
- 5Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
- 6Indro, izaho koa mba an’Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.
- 7Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
- 8Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ny teninao hoe:
- 9Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
- 10He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
- 11Mampiditra ny tongotro eo amin’ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
- 12He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona.
- 13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony*? [Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin’olombelona?]
- 14Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany,
- 15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
- 16Dia manokatra ny sofin’ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
- 17Mba hampiala ny olona amin’ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
- 18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ny fiadiana.
- 19Anarina amin’ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin’ny fikotrankotran’ny taolany lalandava;
- 20Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ny fanahiny.
- 21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
- 22Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
- 23Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ny olona,
- 24Ary* hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]
- 25Dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy;
- 26Hivavaka amin’Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ny hafaliana, fa hampodiny amin’ny zanak’olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy]
- 27Dia hihira izy hilaza amin’ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
- 28Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ny fahitana ny mazava.
- 29Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa amin’ny olona, eny, intelo aza,
- 30Mba hamerina ny fanahiny tsy ho* any an-davaka, mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina.[Na: hiala]
- 31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
- 32Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
- 33Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
Toko 34
- 1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
- 3Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava* no manandrana hanina.[Heb. lanilany]
- 4Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
- 5Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’Andriamanitra tamiko ny rariny;
- 6Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
- 7Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’i Joba, izay manaram-po amin’ny famingavingana toy ny fisotro rano.
- 8Ary tonga naman’ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ny ratsy fanahy?
- 9Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’Andriamanitra.
- 10Koa amin’izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
- 11Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
- 12Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
- 13Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
- 14Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
- 15Dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ny vovoka ny olona.
- 16Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
- 17Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
- 18(Mety va ny miteny amin’ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ny zanak’andriana: Ry ilay ratsy!),
- 19Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ny tànany avokoa izy rehetra.
- 20Maty amin’ny indray mipi-maso monja amin’ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
- 21Fa ny mason’Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
- 22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ny mpanao ratsy.
- 23Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
- 24Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
- 25Koa hita amin’izany fa fantany ny asan’ireo, ka dia mamono azy amin’ny alina ho torotoro Izy.
- 26Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ny ratsy fanahy ireo* eo imason’ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
- 27Izao no nialan’ireo tamin’Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
- 28Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ny ory.
- 29Mangina* Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ny firenena, na amin’ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
- 30Mba tsy hanjakan’ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
- 31Fa moa mba efa nisy niteny tamin’Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena* aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]
- 32Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
- 33Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho*, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]
- 34Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
- 35Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
- 36Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ny ratsy fanahy!
- 37Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’Andriamanitra.
Toko 35
- 1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’Andriamanitra?
- 3Fa hoy ianao: Mahasoa ahy* manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ny fahotako? [Heb. anao]
- 4Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ny namanao.
- 5Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
- 6Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
- 7Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ny tananao?
- 8Mihatra amin’ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
- 9Noho ny habiazan’ny fampahoriana no itarainan’ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ny mahery,
- 10Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina,
- 11Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voro-manidina?
- 12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy.
- 13Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
- 14Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
- 15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
- 16Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
Toko 36
- 1Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’Andriamanitra.
- 3Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
- 4Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ny fahalalana no eto aminao.
- 5Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ny herin’ny fahalalana Izy.
- 6Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ny ory.
- 7Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy; Eo amin’ny mpanjaka ambonin’ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
- 8Ary raha voafatotra amin’ny gadra izy sy voafehy amin’ny tadin’ny fahoriana.
- 9Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
- 10Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ny ratsy.
- 11Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ny fahafinaretana
- 12Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
- 13Fa ny mpihatsaravelatsihy* dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
- 14Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ny olom-betaveta*,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin’ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]
- 15Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
- 16Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ny fahaterena ho amin’ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ny latabatrao.
- 17Nefa raha fatra-pikikitra amin’ny adin’ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana*;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]
- 18Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ny avotra.
- 19Moa hahatonga anao ho ao amin’izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
- 20Aza irinao ny hihavian’ny alina, izay ampialana ny olona amin’ny fitoerany.
- 21Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
- 22Indro, Andriamanitra miasa amin’ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
- 23Iza no efa nandidy Azy ny amin’izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
- 24Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ny olona an-kira.
- 25Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ny zanak’olombelona eny lavitra eny izany.
- 26Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
- 27Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
- 28Izay aidin’ny rahona ka alatsany amin’ny olona maro be.
- 29Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
- 30Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ny ranomasina ho firakofany.
- 31Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
- 32Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony*;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]
- 33Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ondry koa aza milaza ny hihaviany.
Toko 37
- 1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ny fitoerany.
- 2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ny vavany.
- 3Mandefa izany ho eny ambanin’ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra* hatramin’ny faran’ny tany.[Heb. fahazavany]
- 4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
- 5Mahagaga ny fikotrokotrok’Andriamanitra amin’ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
- 6Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
- 7Mampiohona* ny tanan’ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
- 8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
- 9Avy any atsimo* ny tadio, ary entin’ny rivotra avy any avaratra** ny hatsiaka.[*Heb. efi-trano][**Heb. avy amin’ireo mpanahakahaka]
- 10Ny fofonain’Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
- 11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ny helatra* dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
- 12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ny tany eran’izao tontolo izao*,[Na: Eny ambonin’izao tontolo izao ho amin’ny tany]
- 13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ny taniny izany na ho famindram-po kosa*.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
- 14Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra.
- 15Fantatrao va ny fanamboaran’Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony? [Heb. fahazavany]
- 16Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana?
- 17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ny rivotra avy any atsimo,
- 18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
- 19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
- 20Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]
- 21Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
- 22Avy any avaratra no ihavian’ny mazava mitarehim-bolamena*; Ao amin’Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian’ny volamena]
- 23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory*.[Na: mamaly]
- 24Koa izany no atahoran’ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
Toko 38
- 1[Ny teny navalin’i Jehovah an’i Joba] Ary teo anatin’ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe:
- 2Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana?
- 3Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
- 4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
- 5Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
- 6Teo amin’inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
- 7Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?
- 8Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
- 9Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
- 10Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
- 11Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
- 12Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’andro,
- 13Mba horaisiny ny sisin’ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
- 14Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny tarehiny, [Heb. fitafiana]
- 15Ary hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
- 16Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?
- 17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana?
- 18Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ny fahalalahan’ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
- 19Aiza ary no lalana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ny maizina?
- 20Mba hitondranao izany ho amin’ny faran’ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
- 21Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’izay, ary maro ny isan’ny andronao!
- 22Moa efa niditra tany amin’ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
- 23Izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
- 24Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ny tany?
- 25Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ny helatry ny kotrokorana,
- 26Handatsaka ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona, dia any amin’ny efitra tsy misy mponina,
- 27Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
- 28Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ando?
- 29Kibon’iza moa no nihavian’ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy?
- 30Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ny lalina.
- 31Mahavona ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
- 32Mahavoaka ny Mazarota* amin’ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]
- 33Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ireny ny tany va ianao?
- 34Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
- 35Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
- 36Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon’ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
- 37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon*’ny lanitra, [Heb. siny hoditra]
- 38Hitambaran’ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
- 39Mahay mihaza toha ho an’ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ny liona tanora,
- 40Raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala?
- 41Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
Toko 39
- 1Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ny osi-dia any amin’ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ny dieravavy?
- 2Mahisa ny andro ahatanterahany* va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]
- 3Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
- 4Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
- 5Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ny boriki-dia,
- 6Izay nomeko ny tani’hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
- 7Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ny mpampandeha;
- 8Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
- 9Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ny alina?
- 10Mahafatotra ny ombimanga amin’ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
- 11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
- 12Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
- 13Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
- 14Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ny vovoka,
- 15Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
- 16Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
- 17Fa efa nampanadinoin’Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
- 18Raha mikopakopak’elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
- 19Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
- 20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ny fiefonefony!
- 21Mihehy ao amin’ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady* izy.[Heb. fiadiana]
- 22Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ny sabatra.
- 23Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka* sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka]
- 24Miriotra mafy* amin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara**. [*Heb. Mitelina ny tany][**Na: Tsy mino izy fa feon’ny anjomara izany]
- 25Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ny manamboninahitra.
- 26Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
- 27Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
- 28Eny amin’ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ny harambato sy ao amin’ny fiarovana.
- 29Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
- 30Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ny faty dia any izy.
Toko 40
- 1[Ny naneken’i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin’i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an’i Joba nanao hoe:
- 2Hiady amin’ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’Andriamanitra no hamaly!
- 3Ary Joba dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe:
- 4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
- 5Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
- 6Dia namaly an’i Joba teo amin’ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
- 7Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
- 8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
- 9Manan-tsandry tahaka ny an’Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
- 10Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
- 11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
- 12Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
- 13Asitriho ao amin’ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ny fiafenana ny tavany.
- 14Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
- 15He! jereo ange ny behemota*, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao]
- 16Indro, eo amin’ny valahany ny heriny, ary eo amin’ny ozatra amin’ny kibony ny tanjany.
- 17Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ny feny
- 18Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
- 19Voalohany amin’ny asan*’Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan’]
- 20Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ny bibi-dia rehetra;
- 21Eo ambanin’ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
- 22Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ny ony no manodidina azy
- 23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ny vavany aza.
- 24Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
- 25Mahasarika ny mamba* amin’ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ny mahazaka?[Heb. leviatana]
- 26Mahisy tady zozoro amin’ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ny fintana?
- 27Hifon-jato amin’arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
- 28Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
- 29Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ny zazavavy ao aminao va ianao?
- 30Hataon’ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ny mpandranto?
- 31Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ny lohany?
- 32Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
Toko 41
- 1Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
- 2Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
- 3Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
- 4Tsy mbola hangina Aho ny amin’ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ny endriny.
- 5Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ny nifiny roa sosona?
- 6Iza no mahasokatra ny varavaran’ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
- 7Reharehany ny faharaoraon’ny kirany*, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ny tombo-kase ireo;[Heb. ampingany]
- 8Mikirindro ireo, ka tsy azon’ny rivotra idirana eo anelanelany.
- 9Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
- 10Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ny maraina.
- 11Lelafo no mivoaka avy amin’ny vavany; Kilalaon’afo no mipariaka avy aminy.
- 12Ny vavorony dia ivoahan’ny setroka, tahaka ny avy amin’ny vilany mangotraka, na amin’ny fahandroana*.[Na: afon-kerana]
- 13Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ny vavany.
- 14Ny vozony no itoeran’ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
- 15Mivalombalona ny hotraka amin’ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
- 16Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
- 17Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
- 18Raha misy mamely azy amin’ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
- 19Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
- 20Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’antsamotady.
- 21Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
- 22Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ny fotaka izy.
- 23Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
- 24Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
- 25Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
- 26Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ny bibi-dia rehetra izy
Toko 42
- 1[Ny teny farany nataon’i Joba, sy ny nanomezan’Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe:
- 2Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
- 3Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
- 4Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
- 5Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
- 6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.
- 7Ary rehefa voalazan’i Jehovah tamin’i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin’i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
- 8Koa ankehitriny makà vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
- 9Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian’i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an’i Joba.
- 10Ary Jehovah nampody ny fiadanan’i Joba, raha nivavaka ho an’ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
- 11Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran’i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola* iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]
- 12Ary Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman’osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
- 13Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
- 14ka ny anaran’ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran’ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran’ny faravavy Kerena-hapoka.
- 15Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’i Joba hita tany amin’ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin’ny anadahiny izy.
- 16Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian’izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin’ny zafin-dohaliny aza.
- 17Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana*.[Heb. voky andro]
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.