Tonon-kiran’i Solomona
Accés rapide à un CHAPITRE :
1
2
3
4
5
6
7
8
Toko 1
- 1Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon’i Solomona.
- 2[Ny ampakarina sy ny zanakavavin’i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
- 3Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ny zatovovavy anao.
- 4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
- 5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’i Jerosalema, toy ny lain’i Kedara, toy ny ambain-dain’i Solomona.
- 6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ny tenako, tsy mba nandrasako.
- 7Lazao amiko, ry ilay tian’ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana* aho Eny amin’ny andian’ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]
- 8Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian’ny ondry aman’osy, ary andraso eny amin’ny lain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.
- 9[Ny mpanjaka sy ny ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’i Farao.
- 10Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
- 11Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
- 12Raha mipetraka amin’ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
- 13Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
- 14Ny malalako dia tahaka ny vonin’ny kofera amiko, any an-tanimbolin’i En-jedy.
- 15Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]
- 16Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
- 17Sedera ny sakamandimbin’ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
Toko 2
- 1Izaho dia voninkazo eny an-tanety* ihany sy lilia eny an-dohasaha.[Na: any Sarôna]
- 2Toy ny lilia eo amin’ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ny zazavavy.
- 3Toy ny hazo poma amin’ny hazo any an’ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
- 4Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
- 5Hatanjaho amin’ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin’ny poma aho, fa mararim-pitia.
- 6Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
- 7Mampianiana anareo amin’ny gazela* na amin’ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
- 8[Tenin’ny ampakarina, raha nitoetra irery izy] Injay, ny feon’ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin’ny havoana.
- 9Ny malalako dia tahaka ny gazela* na ny diera* tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay** izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ny makarakara.[*Anaram-biby haingan-tongotra][**Heb. ivelan’ny rindrinay]
- 10Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
- 11Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
- 12Miposaka eo amin’ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina.
- 13Ny aviavy* mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary![aviavimbazaha]
- 14E, ry voromailalako ao amin’ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ny fialokalofana amin’ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
- 15Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
- 16Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ny lilia.
- 17Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela** na ny diera** tanora eny an-tendrombohitra be hantsana*** ianao. [*Heb. mandositra ny aloka][**Anaram-biby haingan-tongotra][***Na: tendrombohitra manelanelana]
Toko 3
- 1Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian’ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.
- 2Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian’ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
- 3Hitan’ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ny fanahiko iny?
- 4Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian’ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’ineny, dia any amin’ny efi-tranon’ilay niteraka ahy.
- 5Mampianiana anareo amin’ny gazela* na amin’ny dieravavy* any an-tsaha aho, ry zanakavavin’i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
- 6[Ny amin’ny nampakarana an-dravehivavy] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin’ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin’ny vovoka manitra samy hafa entin’ny mpandranto?
- 7Indro ny filanjan*’i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin’ny lehilahy mahery amin’ny Isiraely, no manotrona azy.[Heb. farafara]
- 8An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin’ny alina.
- 9Nanao filanjana* ho azy Solomona mpanjaka tamin’ny hazo avy any Libanona: [Heb. farafara]
- 10Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin’ny fanomezam-pitiavana avy tamin’ny zanakavavin’i Jerosalema.
- 11Mivoaha, ry zanakavavin’i Ziona, ka mijere an’i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin’ny andro nampakarany vady, dia tamin’ny andro nifalian’ny fony.
Toko 4
- 1Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin’ny fisalobonanao*; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan’ny tendrombohitr’i Gileada.[Na: volonao milantolanto]
- 2Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
- 3Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao*; Tahaka ny hasin’ampongaben-danitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao**,[*Heb. fitenenanao][**Na: volonao milantolanto]
- 4Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an’ny lehilahy mahery.
- 5Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin’ny lilia.
- 6Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, dia handeha aho ho any amin’ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka]
- 7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
- 8Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon’i Amana, eny an-tampon’i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
- 9Efa lasanao ny foko, ry havako* ampakariko, efa lasanao ny foko tamin’ny masonao an-ila sy tamin’ny rojo anankiray amin’ny vozonao.[Heb. ampakariko]
- 10Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako* ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]
- 11Mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelanao, ary ny fofon’ny fitafianao dia tahaka ny fofon’i Libanona.
- 12Saha voahidy ny havako* ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko]
- 13Hianao no saha anirian’ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
- 14Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra* Mbamin’ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota]
- 15Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
- 16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan’ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
Toko 5
- 1Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
- 2[Teny nataon’ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin’i Jerosalema] Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako* ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ny andon’ny alina.[Heb. ampakariko]
- 3Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
- 4Nampiditra ny tànany teo amin’ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
- 5Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon’ny miora teo amin’ny famohana ny hidin-trano.
- 6Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
- 7Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
- 8Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
- 9Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
- 10Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ny alinalina.
- 11Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
- 12Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan’ny sakeli-drano, mandro amin’ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
- 13Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina* misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon’ny miora.[Heb. tilikambo]
- 14Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
- 15Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga* miorina amin’ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an’i Libanona, tsara toy ny sedera.[marmora fotsy]
- 16Mamy dia mamy ny vavany*, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]
Toko 6
- 1Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
- 2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ny tanimboly sy hioty ny lilia.
- 3An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ny lilia.
- 4Tsara tarehy tahaka an’i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ny miaramila mitondra faneva.
- 5Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’i Gileada.
- 6Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
- 7Tahaka ny hasin’ampongaben-danitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao*.[Na : ny volonao milantolanto]
- 8Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
- 9Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin’izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
- 10Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ny miaramila mitondra faneva?
- 11Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo* aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin’egoza]
- 12Tsy nampoiziko ny nanandratan’ny fanahiko ahy ho eo amin’ny kalesin’ny fireneko be voninahitra.
Toko 7
- 1Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ny Solemita? Dihy tahaka ny an’i Mahanaima*.[Na: ataon’ny mpandihy roa tonta;]
- 2Endrey! mahate-hijery ny famindran’ny tongotrao mikiraro*, ry zazavavy zanak’andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ny tanan’ny mahay zavatra.[Heb. mikapa]
- 3Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
- 4Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
- 5Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ny tanàna be olona*; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’i Damaskosy.[Na: eo am-bavahadin’i Beta-rabina]
- 6Ny lohanao dia tahaka an’i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ny volo olioly ny mpanjaka!
- 7Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala*, amin’izao zava-mahafinaritra rehetra izao![Heb. ry fitiavana]
- 8Izato tsangananao dia tahaka ny rofia*, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.[palma]
- 9Hoy izaho: Hananika ny rofia* aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ny poma,[palma]
- 10Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ny malalako sady miditra misononoka amin’ny molotry ny matory.
- 11An’ny malalako aho, sady manina ahy* izy.[Heb. ho amiko ny faniriany;]
- 12Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
- 13Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao.
- 14Mamerovero tsara ny dodaima*, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]
Toko 8
- 1Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an’ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon’olona notevatevaina aho.
- 2Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin’ny ranon’ampongaben-danitro ianao.
- 3Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
- 4Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
- 5[Ny nandehanany ho any amin’ny tany nihavian’ny ampakarina] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian’ilay niteraka anao.
- 6Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita* ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’i Jehovah.[Heb. Sheola]
- 7Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.
- 8Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay*; Ahoana no hataonay** amin’ny zandrivavinay***, raha mby amin’izay andro hangatahan’olona azy ho vady?[Na: isika][**Na: hataontsika][***Na: zandrivavintsika]
- 9Raha manda izy, dia hanangananay* tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay** hazo fisaka sedera.[*Na: hananganantsika][**Na: hotampenantsika]
- 10Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
- 11Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin’olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon’ny vokatra.
- 12Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an’izay mpiandry voly.
- 13Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.
- 14Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela* na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.