Daniela
Toko 1
- 1[Ny amin’i Daniela sy ny namany telo lahy] Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, no nankanesan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
- 2Ary ny Tompo nanolotra an’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ny trano firaketan’andriamaniny.
- 3Ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Isiraely, dia amin’ny zanak’andriana na amin’ny ambony firazanana,
- 4dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeana.
- 5Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ireo isan’andro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka izy.
- 6Ary tamin’ireo dia nisy avy amin’ny taranak’i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
- 7Ary izy ireo nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
- 8Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka, na tamin’ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
- 9Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ilay lehiben’ny tandapa Daniela.
- 10Ary hoy ilay lehiben’ny tandapa tamin’i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
- 11Dia hoy Daniela tamin’ny mpiadidy, izay notendren’ny lehiben’ny tandapa ho mpiadidy an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
- 12Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
- 13Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ny hanin’ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ny mpanomponao.
- 14Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
- 15Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
- 16Dia najanon’ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
- 17Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra.
- 18Ary nony tonga ny andro nasain’ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa niditra teo anatrehan’i Nebokadnezara izy.
- 19Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo.
- 20Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra aza izy.
- 21Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjaka.
Toko 2
- 1[Ny nofin’i Nebokadnezara, sy ny nilazan’i Daniela ny hevitr’izany] Ary tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
- 2Dia nasain’ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin’ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka.
- 3Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
- 4Dia niteny tamin’ny mpanjaka amin’ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
- 5Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin’ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho*; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
- 6Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ny heviny.
- 7Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
- 8Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
- 9Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan’izay andro mahamety*; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan’ny andro]
- 10Ny Kaldeana namaly teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin’ny tany mahay milaza izany nofin*’ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin’ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin’]
- 11Ary sarotra ny zavatra anontanian’ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin’ny nofo.
- 12Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin’i Babylona rehetra.
- 13Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
- 14Dia novalian’i Daniela tamin’ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin’i Babylona;
- 15eny, namaly izy ka nanao tamin’i Arioka, lehibe voatendrin’ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin’ny mpanjaka? Dia nambaran’i Arioka tamin’i Daniela ilay teny.
- 16Dia niditra Daniela ka nangataka tamin’ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
- 17Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin’i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
- 18mba hangatahan’ireo famindram-po amin’Andriamanitry ny lanitra ny amin’izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin’ny olon-kendrin’i Babylona rehetra.
- 19Dia naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana amin’ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an’Andriamanitry ny lanitra Daniela.
- 20Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
- 21Ary Izy no mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ny hendry sy fahalalana ho an’izay mazava saina.[Ar. manova]
- 22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
- 23Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin’3 ny mpanjaka.
- 24Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin’i Arioka, izay notendren’ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin’i Babylona; fa ento ho eo anatrehan’ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
- 25Dia nentin’i Arioka faingana ho eo anatrehan’ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
- 26Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin’i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ny heviny va ianao?
- 27Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy hain’ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ny mpanjaka;
- 28kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ny lohanao teo amin’ny farafaranao dia izao:
- 29Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin’izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
- 30Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
- 31Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
- 32Ny lohan’izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
- 33ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
- 34Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
- 35Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin’ny indray mamely monja]
- 36Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.
- 37Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ny mpanjaka sady nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
- 38ka ny zanak’olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
- 39Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
- 40Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
- 41Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan’ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
- 42Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
- 43Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin’ny taranak’olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga.
- 44Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
- 45Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
- 46Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin’i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
- 47Ny mpanjaka namaly an’i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
- 48Ary tamin’izany ny mpanjaka dia nanandratra an’i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben’ny mpanapaka ny olon-kendrin’i Babylona rehetra.
- 49Ary Daniela nangataka tamin’ny mpanjaka, ary izy nanendry an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian’ny raharahan’i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin’ny mpanjaka.
Toko 3
- 1[Ny nanipazana an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao anatin’ny lafaoro nisy afo mirehitra] Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin’ny tany lemaka Dora tamin’ny fehin’i Babylona izany.
- 2Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka.
- 3Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjakan’ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin’ny sariolona izay efa natsangan’i Nebokadnezara ireo.
- 4Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
- 5Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ny sariolona volamena izay efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka,
- 6ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.
- 7Koa tamin’ny fotoana nandrenesan’ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ny sariolona volamena izay efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
- 8Ary tamin’izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga* ny Jiosy.[Ar. nihinana ny nofon’]
- 9Dia niteny izy ka nanao tamin’i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
- 10Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin’ny sariolona volamena;
- 11fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.
- 12Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian’ny raharaha amin’i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin’ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
- 13Dia niteny tamin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
- 14Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ny sariolona volamena izay natsangako?
- 15Ankehitriny raha miomana ianareo amin’izay handrenesanareo ny fanenon’ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany?
- 16Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany.
- 17Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tananao, ry mpanjaka ô.
- 18Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
- 19Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
- 20Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany no nasainy namatotra an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin’ny lafaoro nisy afo mirehitra.
- 21Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin’ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin’ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
- 22ary satria mafy ny tenin’ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin’ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy* an’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra]
- 23Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin’ny lafaoro nisy afo mirehitra.
- 24Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin’ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
- 25Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ireo andriamanitra.
- 26Dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
- 27Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain’ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin’ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon’afo akory taminy.
- 28Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
- 29Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
- 30Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin’i Babylona sy ny fehiny.
- 31[Ny nofy nananaran’Andriamanitra an’i Nebokadnezara, sy ny nahatanterahan’izany nofy izany] Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin’ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
- 32Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon’Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
- 33Akory ny halehiben’ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
Toko 4
- 1Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra* tao an-dapako.[Ar. maitso]
- 2Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan’ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
- 3Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin’i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
- 4Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
- 5Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran’andriamanitro, sady misy fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
- 6Ry Beltesazara, lehiben’ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin’ny nofy mbamin’ny heviny.
- 7Fa izao no fahitan’ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ny tany, ary fatratra ny hahavony.
- 8Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin’ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin’ny faran’ny tany rehetra.
- 9Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an’ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan’ny bibidia, ary teny amin’ny sampany no nitoeran’ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
- 10Nijery tamin’ny fahitan’ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra.
- 11Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin’ny rantsany.
- 12Nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin’ny biby any amin’ny ahitra amin’ny tany;
- 13aoka hovana ny fony tsy ho fon’olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr’andro fito no holanina aminy.
- 14Didin’ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin’ny tendrin’ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran’ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
- 15Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin’ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr’izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin’ireo andriamanitra masina no anatinao.
- 16Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’izay fahavalonao.
- 17Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin’ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin’ny tany rehetra,
- 18ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an’ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran’ny bibi-dia, ary teny amin’ny rantsany no nitoeran’ny voro-manidina,
- 19ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin’ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin’ny faran’ny tany.
- 20Ary ny nahitan’ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ny fetr’andro fito aminy,
- 21izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin’ny Avo Indrindra, izay mihatra amin’itompokolahy mpanjaka:
- 22Horoahina hiala amin’ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin’ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan’ny andon’ny lanitra, ary fetr’andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany.
- 23Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
- 24Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra* ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra* ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
- 25Izany rehetra izany no nanjo an’i Nebokadnezara mpanjaka.
- 26Ary nony afaka roa ambin’ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon’ny tranony tao Babylona izy.
- 27Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
- 28Raha mbola teo am-bavan’ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
- 29Fa horoahina hiala amin’ny olona ianao, ka ho any amin’ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr’andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany.
- 30Tamin’izay indrindra no nahatanterahan’izany tamin’i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin’ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ny andon’ny lanitra ambara-panirin’ny volony ho toy ny an’ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ny vorona.
- 31Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
- 32ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ireo maro be any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
- 33Tamin’izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan’ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin’ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
- 34Koa amin’izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ny fiavonavonana dia hainy aetry.
Toko 5
- 1[Ny fanasana nataon’i Belsazara, sy ny sora-tanana niseho teo amin’ny rindrina] Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay.
- 2Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony.
- 3Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin’ny tempolin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony nisotro taminy.
- 4Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
- 5Tamin’izay dia nisy rantsan- tànan’olona niseho ka nanoratra tandrifin’ny jiro tamin’ny lalotra sokay teo amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
- 6Dia nivaloarika ny tarehin’ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
- 7Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ny olon-kendrin’i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ny mpanapaka telo lahy amin’ny fanjakana izy.
- 8Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
- 9Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
- 10Ary ny renin’ny mpanjaka niditra tao amin’ny trano fanasana noho ny tenin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin’ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
- 11Misy lehilahy ato amin’ny fanjakanao izay manana fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren’ireo andriamanitra; ka nataon’i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben’ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
- 12fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin’izany Daniela izany, izay nomen’ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
- 13Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda, izay nentin’ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
- 14Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin’ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
- 15Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
- 16ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan’ny mpanapaka telo lahy amin’ny fanjakana ianao.
- 17Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin’ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
- 18Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’i Nebokadnezara rainao;
- 19ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
- 20Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin’ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
- 21dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an’ny biby, ary ny fonenany tany amin’ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
- 22Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
- 23fa niavonavona tamin’ny Tompon’ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
- 24Ary noho izany dia Izy no nihavian’ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
- 25Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina*.[Oparesina = sy Paresina]
- 26Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao;
- 27Tekela, efa voalanja tamin’ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
- 28Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.
- 29Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan’ny mpanapaka telo lahy amin’ny fanjakana.
- 30Ary tamin’io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana.
Toko 6
- 1Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
- 2[Ny amin’ny nanipazana an’i Daniela tao an-davaky ny liona] Sitrak’i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
- 3Koa tamin’ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin’ireo, mba hilazan’ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
- 4Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ny fanjakana rehetra.
- 5Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an’i Daniela ny amin’ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
- 6Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalan’Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
- 7Dia somaritaka nivory ho any amin’ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
- 8Ny komandy lehibe rehetra amin’ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ny telo-polo andro, na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
- 9Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn’ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
- 10Ary noho izany dia nasian’i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
- 11Nony fantatr’i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ny taloha izany.
- 12Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an’i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’Andriamaniny.
- 13Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan’ny mpanjaka noho ny amin’ilay lalàn’ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin’Andriamanitra na amin’olona, ato anatin’ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn’ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
- 14Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan’andro izy.
- 15Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an’i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
- 16Dia somaritaka nivory ho any amin’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn’ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
- 17Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
- 18Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny fanombohan-kaseny sy tamin’ny fanombohan-kasen’ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin’i Daniela.
- 19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno* nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na: zazavavy mpandihy]
- 20Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ny lavaky ny liona.
- 21Ary nony tonga teo amin’ny lavaka izy, dia niantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin’ny liona va?
- 22Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
- 23Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
- 24Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’Andriamaniny.
- 25Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an’i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin’ny vodin’ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]
- 26Tamin’izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin’ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
- 27Manao lalàna aho mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’Andriamanitr’i Daniela eran’ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ny farany.
- 28Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’i Daniela ho afaka tamin’ny herin’ny liona.
- 29Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ny nanjakan’i Dariosa sy tamin’ny nanjakan’i Kyrosy Persiana.
Toko 7
- 1[] Fahitana niseho tamin’i Daniela ny amin’ny fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran’Andriamanitra ireo.Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana* tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.[Ar. fahitan’ny lohany]
- 2Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin’ny ranomasina lehibe.
- 3Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ny ranomasina.
- 4Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin’ny tany izy ka najoro tamin’ny tongony roa toy ny fijoron’ny olona, sady natao manana fon’olombelona izy.
- 5Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan’ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
- 6Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
- 7Nony afaka izany, dia nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
- 8Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan’io ny tandroka telo tamin’ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason’olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
- 9Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
- 10Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
- 11Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny mihoapampana notenenin’ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin’ny afo mirehitra izy.
- 12Ary ny amin’ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana.
- 13Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
- 14Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
- 15Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
- 16Dia nanakaiky ilay anankiray tamin’izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
- 17Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany.
- 18Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
- 19Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony;
- 20ary ny amin’ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
- 21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
- 22ambara-pihavin’ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan’ny olo-masina ny fanjakana.
- 23Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin’ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
- 24Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
- 25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’andro iray sy ny fetr’andro roa ary ny antsasaky ny fetr’andro.
- 26Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy.
- 27Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
- 28Hatramin’izao no faran’izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
Toko 8
- 1[Ny amin’ny fahavalo anankiray izay nampahory ny olon’Andriamanitra] Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian’ilay niseho tamiko tamin’ny voalohany.
- 2Ary nahita tamin’ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ny lapan’ny mpanjaka izay ao amin’ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ny fahitana aho, ka teo amoron’ny ony Olay aho.
- 3Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
- 4Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe*.[Na: niavonavona]
- 5Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony.
- 6Ary izy nankeo amin’ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron’ny ony, ka nanazakazaka azy tamin’ny fahatezeran’ny heriny.
- 7Ary hitako nanatona ho eo anilan’ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
- 8Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ny rivotra efatry ny lanitra.
- 9Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ny anankiray amin’ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ny tany mahafinaritra.
- 10Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ireo maro be eny amin’ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
- 11Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ny Komandin’ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan’andro, ary ny fitoerana masina noravana.
- 12Ary nisy maro be mbamin’ny fanatitra isan’andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
- 13Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin’ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva* sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny amin’ny fanatitra isan’andro]
- 14Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro*; ary nony afaka izany, dia amin’izay vao hodiovina** ny fitoerana masina. [*Heb. hariva sy maraina][**Heb. ho marina]
- 15Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
- 16Ary nandre feon’olona tao afovoan’i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
- 17Ary dia nankeo amin’ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
- 18Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin’ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
- 19Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin’ny fahatezerana farany; fa ho amin’ny fotoana any am-parany izany.
- 20Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia.
- 21Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
- 22Ary ny amin’ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
- 23Ary ny hiafaran’ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
- 24Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina.
- 25Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
- 26Ary dia marina ny amin’ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
- 27Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka; ary ka aho ny amin’ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
Toko 9
- 1[Ny vavaka nataon’i Daniela, sy ny teny nolazaina taminy ny amin’ny herinandro fito-polo] Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa, zanak’i Ahasoerosy, avy amin’ny taranaky ny Mediana, izay nampanjakaina tamin’ny fanjakan’ny Kaldeana,
- 2tamin’ny taona voalodany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin’ny boky ny isan’ny taona nampahafantarin’ny tenin’i Jehovah an’i Jeremia mpaminany, izay hahataperan’ny fito-polo taona amin’ny hahafoanan’i Jerosalema.
- 3Ary nampanatrehiko an’Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana* ary ny lavenona.[Heb. lamba malailay]
- 4Ary nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
- 5efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin’ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
- 6ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin’ny anaranao tamin’ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
- 7Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin’izao anio izao, dia an’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin’ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao;
- 8eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an’ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.
- 9An’ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay
- 10ka tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
- 11Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
- 12Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin’ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
- 13Araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy no nahatongavan’izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin’ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
- 14Koa izany no nitehirizan’i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin’ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
- 15Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta tamin’ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
- 16Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan’ny razanay no nahatonga an’i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin’izay rehetra manodidina anay.
- 17Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin’ny fitoeranao masina izay efa foana, satria Tompo Hianao.
- 18Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin’ny anaranao; fa tsy amin’ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ny halehiben’ny indrafonao.
- 19Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin’ny anaranao.
- 20Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ny fahotan’ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitro ho an’ny tendrombohitra masin’Andriamanitro,
- 21eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin’ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva.
- 22Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.
- 23Tamin’ny niantombohan’ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
- 24Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany]
- 25Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin’ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]
- 26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
- 27Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro, ary amin’ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian’ny mpandrava, hatramin’ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon’][**Na: ny efa lao]
Toko 10
- 1[Toky ho an’ny olon’Andriamanitra fa tsy ho resin’ny fahavalony izy] Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, dia nisy nambara tamin’i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
- 2Tamin’izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
- 3Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
- 4Ary tamin’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ny volana voalohany, raha teo amoron’ny ony lehibe aho (Hidekela izany),
- 5dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
- 6tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon’olona maro be;
- 7ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.
- 8Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.
- 9Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ny tany.
- 10Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
- 11Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
- 12Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
- 13Fa ilay andrianan’ny fanjakan’i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe*, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin’ny mpanjakan’i Persia.[Heb. voalohany]
- 14Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’izany andro izany ny fahitana.
- 15Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ny tany aho sady tsy nahateny.
- 16Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak’olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin’ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
- 17Fa aiza no ahazoan’ity izaho mpanompon’ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin’izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.
- 18Ary nisy indray nanana endrik’olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
- 19ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
- 20Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan’i Grisia.
- 21Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin’ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
Toko 11
- 1Fa tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
- 2[Faminaniana koa ny amin’ny zavatra mbola hiseho] Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Grisia.
- 3Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin’ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.
- 4Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an’ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an’ny hafa, fa tsy ho an’ireo.
- 5Ary hahery ny mpanjakan’ny atsimo; nefa ny anankiray amin’ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
- 6Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin’ny mpanjakan’ny atsimo hankany amin’ny mpanjakan’ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin’izay nampahery azy tamin’izany andro izany*.[Na: dia samy amin’ny fotoany avy]
- 7Fa hisy solofony anankiray avy amin’ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian’izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin’ny mpanjakan’ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
- 8Ary ny andriamaniny koa mbamin’ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely* ny mpanjakan’ny avaratra izy.[Na: haharitra ela noho]
- 9Ary ho tonga amin’ny fanjakan’ny mpanjakan’ny atsimo izy, nefa hody any amin’ny taniny ihany.
- 10Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.
- 11Ary dia hisafoaka ny mpanjakan’ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin’ny mpanjakan’ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.
- 12Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery.
- 13Fa hiverina ny mpanjakan’ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.
- 14Ary amin’izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan’ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin’ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy.
- 15Ka dia ho avy ny mpanjakan’ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin’ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.
- 16Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin’ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.
- 17Dia hivonona tsara handeha amin’ny herin’ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin’ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
- 18Ary hitodika mankany amin’ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.
- 19Dia hitodika hankany, amin’ny fiarovana mafy any amin’ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.
- 20Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin’izay tsara indrindra amin’ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin’ny fahatezerana, na amin’ny ady.
- 21Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ny fahafetsena,
- 22ary ireo miaramila toy ny safotra* no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin’ny andriana vita fanekena aminy koa.[Heb. sandrin’ny safotra]
- 23Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny.
- 24Hiditra tsy ampoizina amin’ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ny rainy na ny razany; hahahany eny amin’ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin’ny fotoana.
- 25Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan’ny atsimo amin’ny miaramila maro; ary ny mpanjakan’ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
- 26Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
- 27Ary ny fon’ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin’ny fotoana ihany.
- 28Ary hiverina ho any amin’ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ny taniny izy
- 29Amin’ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
- 30fa ny sambon’i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin’ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin’ireo efa mahafoy ny fanekena masina.
- 31Ary hisy miaramila* hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan’andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.[Heb. sandry]
- 32Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin’ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia hifikitra amin’izany ka hankatò azy*.[Na: dia hahery ka hahefa]
- 33Ary izay hendry ao amin’ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.
- 34Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin’ny fihatsaram-belatsihy.
- 35Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, fa mbola ho amin’ny fotoana ihany izany.
- 36Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
- 37Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan’ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.
- 38Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.
- 39Dia homban’ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
- 40Ary amin’ny faran’ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan’ny atsimo; ary ny mpanjakan’ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin’ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.
- 41Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan’ny taranak’i Amona.
- 42Haninjitra ny tànany amin’ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
- 43Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
- 44Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
- 45Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
Toko 12
- 1Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.
- 2Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
- 3Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
- 4[Teny farany] Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika*, ka hitombo ny fahalalana.[Heb. hivoivoy]
- 5Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron’ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
- 6Ary hoy ny anankiray tamin’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran’ireo fahagagana ireo?
- 7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ny lanitra ka reko nianiana tamin’Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
- 8Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?
- 9Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro farany.
- 10Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
- 11Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
- 12Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
- 13Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.