◀ Levitikosy Deotoronomia ▶

Nomery

Accés rapide à un CHAPITRE :

  1     2     3     4     5     6     7     8     9     10     11     12     13     14     15     16     17     18     19     20     21     22     23     24     25     26     27     28     29     30     31     32     33     34     35     36  

Toko 1


Toko 2


Toko 3


Toko 4


Toko 5


Toko 6


Toko 7


Toko 8


Toko 9


Toko 10


Toko 11


Toko 12


Toko 13


Toko 14


Toko 15


Toko 16


Toko 17


Chapitre 18
  • 1[Ny amin’ny raharahan’ny Levita sy ny mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary hoy Jehovah tamin’i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
  • 2Ary ny rahalahinao avy amin’ny firenen’i Levy izay firenen’ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan’ny trano-lain’ny Vavolombelona.
  • 3Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
  • 4Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
  • 5Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’Isiraely intsony.
  • 6Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin’ny Zanak’Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an’i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
  • 7Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin’ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
  • 8Ary Jehovah niteny tamin’i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin’ny Zanak’Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
  • 9Izao no ho anao amin’ny zavatra masina indrindra, avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany.
  • 10Toy ny fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany.
  • 11Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin’ny Zanak’Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
  • 12Izay rehetra tsara indrindra amin’ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an’i Jehovah, dia efa nomeko anao.
  • 13Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hateriny ho an’i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.
  • 14Ny zavatra rehetra voatokana amin’ny Isiraely dia ho anao.
  • 15Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an’i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.
  • 16Ary ny amin’ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).
  • 17Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny ràny dia hatopinao amin’ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.
  • 18Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
  • 19Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ny zava-masina aterin’ny Zanak’Isiraely ho an’i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.
  • 20Ary hoy Jehovah tamin’i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin’ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny Zanak’Isiraely.
  • 21Ary, indro, ny taranak’i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ny trano-lay fihaonana.
  • 22Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak’Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.
  • 23Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ny Zanak’Isiraely izy.
  • 24Fa ny fahafolon-karen’ny Zanak’Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia efa nomeko ho an’ny taranak’i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ny Zanak’Isiraely izy.
  • 25Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
  • 26Mitenena indray amin’ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin’ny zanak’Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an’i Jehovah izany.
  • 27Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ny famiazana.
  • 28Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an’i Jehovah avy amin’ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin’ny Zanak’Isiraely; ary avy amin’izany no hanateranareo ho an’i Jehovah, dia ho an’i Arona mpisorona.
  • 29Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an’i Jehovah, dia amin’izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.
  • 30Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an’ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ny famiazana izany.
  • 31Dia mahazo mihinana izany eo amin’ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin’ny trano-lay fihaonana.
  • 32Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin’ny Zanak’Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.

  • Toko 19


    Toko 20


    Toko 21


    Toko 22


    Toko 23


    Toko 24


    Toko 25


    Toko 26


    Toko 27


    Toko 28


    Toko 29


    Toko 30


    Toko 31


    Toko 32


    Toko 33


    Toko 34


    Toko 35


    Toko 36


    ◀ Levitikosy Deotoronomia ▶

    Suivez-nous sur facebook :

    bible974.com

    Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.

    made on a mac