Romana
Toko 1
- 1[Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon’i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ny filazantsaran’Andriamanitra,
- 2izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ny Soratra Masina*, [* teo amin’izay soratra masina]
- 3ny amin’ny Zanany, Izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo,
- 4ary naseho* tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak’Andriamanitra mahery]
- 5Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ny jentilisa rehetra;
- 6ary ianareo koa, izay isan’ireny, dia voantso ho an’i Jesosy Kristy, -
- 7ho an’izay rehetra any Roma, malalan’Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- 8Voalohany, misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran’izao tontolo izao ny lazan’ny finoanareo.
- 9Fa Andriamanitra, Izay tompoin’ny fanahiko amin’ny filazantsaran’ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
- 10dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin’izao ho tonga aminareo, raha sitrapon’Andriamanitra.
- 11Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
- 12izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
- 13Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ny jentilisa sasany.
- 14Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
- 15koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
- 16Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
- 17Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon’ny finoana]
- 18[Ny amin’ny faharatsian’ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ny fanaovan-dratsy,
- 19satria izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, fa nasehon’Andriamanitra taminy.
- 20Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra]
- 21fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
- 22Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
- 23koa ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
- 24Ary izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy;
- 25ary ny fahamarinan’Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
- 26Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony;
- 27ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
- 28Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
- 29ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
- 30mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala an’Andriamanitra]
- 31tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
- 32dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
Toko 2
- 1[Ny amin’ny tsi-fahamarinan’ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin’ny lalàna] Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona]
- 2Nefa fantatsika fa ny fitsaran’Andriamanitra dia araka ny marina amin’izay manao toy izany.
- 3Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra ianao? [* Gr. olona]
- 4Sa hamavoinao ny haren’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
- 5Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra,
- 6Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
- 7ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
- 8fa ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
- 9eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ny fanahin’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa;
- 10fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
- 11Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.
- 12Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
- 13Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
- 14fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
- 15fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,-
- 16amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny filazantsarako amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
- 17Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin’ny lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao
- 18ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina ny lalàna ianao [* Na: samy hafa]
- 19ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ny maizina,
- 20mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
- 21ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
- 22Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
- 23Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna?
- 24Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3]
- 25Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
- 26Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
- 27Ary tsy hohelohin’ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
- 28Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana;
- 29fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra.
Toko 3
- 1Koa inona ary no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ny famorana?
- 2Be ihany amin’ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’Andriamanitra ho adidiny.
- 3Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’Andriamanitra?
- 4Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina]
- 5Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon’ny olona aho -
- 6Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
- 7Fa raha ny fahamarinan’Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
- 8Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
- 9Ahoana ary? Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [** Gr. Grika]
- 10araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
- 11Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra.
- 12Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
- 13Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony (Sal. 140. 3);
- 14Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
- 15Ny tongony mimaona handatsa-drà;
- 16Fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany;
- 17Ary ny lalan’ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
- 18Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony (Sal. 36. 1).
- 19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao,
- 20satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota.
- 21[Ny fanamarinan’Andriamanitra maimaimpoana ny mino an’i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany,
- 22dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy* ho an’izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an’ny olona rehetra sy)]
- 23fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra,
- 24nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy,
- 25Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny ràny ho fanavotana* amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]
- 26mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.
- 27Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ny lalàna manao ahoana? amin’ny lalàn’ny asa va? Tsia; fa amin’ny lalàn’ny finoana.
- 28Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna.
- 29Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ny jentilisa koa? Eny, an’ny jentilisa koa;
- 30fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ny finoana.
- 31Koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
Toko 4
- 1Inona ary no holazaintsika ho efa azon’i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
- 2Fa raha asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin’Andriamanitra.
- 3Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
- 4Ary ho an’izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
- 5Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
- 6Dia araka izany koa no ilazan’i Davida fa sambatra ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa, hoe:
- 7Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
- 8Sambatra izay olona tsy hisain’i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).
- 9Koa izany fahasambarana izany moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.
- 10Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
- 11Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny ny fahamarinana,
- 12ary ho rain’ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ny finoan’i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
- 13Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ny finoana, no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
- 14Fa raha izay amin’ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
- 15fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
- 16Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ny taranaka rehetra,- tsy ho an’izay amin’ny lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -
- 17araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
- 18Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).
- 19Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha,
- 20ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra
- 21ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
- 22Dia nisaina ho fahamarinany izany.
- 23Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
- 24fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty,
- 25Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
Toko 5
- 1[Ny soa ananan’ny mino an’i Kristy, sy ny fihoaran’izany noho izay soa verin’i Adama] Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana* fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Na: (dia manana)]
- 2Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
- 3Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
- 4ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
- 5ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an’Andriamanitra]
- 6Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy.
- 7Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa.
- 8Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
- 9Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny ràny isika.
- 10Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
- 11Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
- 12Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
- 13fa hatrany alohan’ny lalàna aza dia nisy ota tamin’izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
- 14fa ny fahafatesana nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy, na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’ilay ho avy.
- 15Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, mainka ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ny fahasoavan’ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ny maro kosa.
- 16Ary tsy tahaka ny avy amin’ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny anankiray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.
- 17Fa raha ny fahadisoan’ny olona anankiray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.
- 18Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.
- 19Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray.
- 20Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra,
- 21mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Toko 6
- 1[Ny fahafahan’ny maro an’i Kristy amin’ny herin’ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana?
- 2Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
- 3Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?
- 4Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
- 5Fa raha nampiraisina* taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena]
- 6fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
- 7Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota.
- 8Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
- 9ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
- 10Fa ny amin’ny nahafatesany, dia maty ny amin’ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra Izy.
- 11Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy.
- 12Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
- 13ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian*’ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra. [* Na: fiasan’] [** Na: fiasan’]
- 14Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana.
- 15Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!
- 16Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ny fahamarinana?
- 17Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon’ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo;
- 18ary rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.
- 19Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
- 20Fa fony mpanompon’ny ota ianareo, dia afaka tamin’ny fahamarinana.
- 21Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran’izany zavatra izany.
- 22Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
- 23Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Toko 7
- 1Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
- 2Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ny lalàn’ny lahy izy.
- 3Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
- 4Ary amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra.
- 5Fa fony tao amin’ny nofo isika, dia ny filan’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ny fahafatesana.
- 6Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny hahelan-tsoratra.
- 7Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).
- 8Fa io didy io dia nentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
- 9Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
- 10Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
- 11Fa io didy io dia nentin’ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
- 12Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.
- 13Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon’ny lalàna.
- 14Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota.
- 15Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
- 16Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
- 17Ary amin’izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
- 18Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
- 19Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
- 20Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
- 21Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina]
- 22Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
- 23nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.
- 24Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?
- 25Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalàn’ny ota kosa amin’ny nofoko.
Toko 8
- 1[Ny famonjen’i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin’izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.
- 2Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana.
- 3Fa izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’Andriamanitra tamin’izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo,
- 4mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
- 5Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
- 6Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
- 7satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
- 8Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra.
- 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy.
- 10Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa]
- 11Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
- 12Ary amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin’ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
- 13Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo.
- 14Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
- 15Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
- 16Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
- 17Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
- 18Fa ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.
- 19Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
- 20fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,
- 21sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. [* Na: satria]
- 22Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
- 23ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
- 24Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany?
- 25Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.
- 26Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina.
- 27Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
- 28Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
- 29satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
- 30Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
- 31Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
- 32Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
- 33Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
- 34Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.
- 35Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
- 36Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
- 37Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika.
- 38Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
- 39na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Toko 9
- 1[Ny amin’ny nandavan’Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako,
- 2fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.
- 3Fa efa saiky niriko aza ho voaozona* ho afaka tamin’i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [* Gr. anatema]
- 4izay Isiraelita sady manana ny fananganan’anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
- 5azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay*. Amena. [* Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin’izy rehetra]
- 6Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely no Isiraely.
- 7Ary na dia taranak’i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
- 8Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
- 9Fa izao no filàzan’ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
- 10Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’anaka tamin’ny anankiray, dia tamin’isaka razantsika;
- 11fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran’ny fikasan’Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin’ny asa, fa avy amin’izay miantso),
- 12dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);
- 13araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3).
- 14Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra? Sanatria izany!
- 15Fa hoy Izy tamin’i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo (Eks. 33. 19).
- 16Koa dia tsy avy amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra Izay miantra.
- 17Fa hoy ny Soratra Masina tamin’i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ny tany rehetra (Eks. 9. 16).
- 18Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
- 19Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
- 20Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
- 21Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
- 22Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
- 23mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
- 24dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny jentilisa koa,
- 25araka izay lazainy eo amin’i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25);
- 26Ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak’Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).
- 27Ary Isaia milaza ny amin’ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Zanak’isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
- 28fa amin’ny fahatanterahana faingana no hanefan’i Jehovah ny teniny ambonin’ny tany (Isa. 10. 22, 23);
- 29ary araka izay nolazain’Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon’ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tonga tahaka an’i Gomora isika (Isa. 1. 9).
- 30Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ny finoana?
- 31fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
- 32Nahoana moa? Satria tsy tamin’ny finoana, fa toa tamin’ny asa, ka tafintohina tamin’ny vato mahatafintohina izy;
- 33araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
Toko 10
- 1Ry rahalahy, ny irin’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ireny dia famonjena.
- 2Fa vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
- 3Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.
- 4Fa Kristy no faran’ny lalàna ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino.
- 5Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany (Lev. 18. 5).
- 6Fa ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an’i Kristy izany,)
- 7na: Iza no hidina any amin’ny lalina? (dia ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany.)
- 8Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay;
- 9satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.
- 10Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.
- 11Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
- 12Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika]
- 13Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
- 14Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
- 15Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
- 16Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
- 17Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.
- 18Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ny faran’izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [* Na: filazantsara]
- 19Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin’izay tsy firenena, Dia amin’ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
- 20Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.
- 21Fa ny amin’ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin’izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
Toko 11
- 1Dia hoy izaho: Sao narian’Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita’taranak’i Abrahama ihany, avy amin’ny firenen’i Benjamina.
- 2Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain’ny Soratra Masina eo amin’ny tantaran’i Elia, dia ilay fitarainany tamin’Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
- 3Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
- 4Fa ahoana no navalin’Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
- 5Dia toy izany koa amin’izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ny fahasoavana.
- 6Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
- 7Ahoana ary? Izay notadiavin’ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon’ny sisa;
- 8araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
- 9Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
- 10Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).
- 11Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ny jentilisa mba hampialona azy.
- 12Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
- 13Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
- 14raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany aminy. [* Gr. ny nofoko]
- 15Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin’ny maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana]
- 16Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.
- 17Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ny menaky* ny hazo oliva [* Na: (fakany sy ny menaky)]
- 18dia aza mirehareha amin’ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
- 19Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
- 20Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
- 21fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
- 22Koa indro ny fahamoram-panahin’Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin’izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
- 23Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin’ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon’Andriamanitra atsofoka indray izy.
- 24Fa raha notapahina tamin’ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin’ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin’ny hazo oliva nanapahana azy.
- 25Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa;
- 26ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy;
- 27Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
- 28Raha ny amin’ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ny razana.
- 29Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
- 30Fa tahaka anareo tsy nanaiky an’Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken’ireny no nahazoanareo famindram-po,
- 31dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
- 32Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’izy rehetra.
- 33Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny* ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [* Na: ny haren’ny fahendren’Andriamanitra]
- 34Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
- 35Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
- 36Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
Toko 12
- 1[Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana]
- 2Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka].
- 3Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
- 4Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
- 5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
- 6Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
- 7raha fanompoana amin’ny fiangonana, dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ny fampianarana;
- 8raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ny fifaliana.
- 9Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
- 10Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
- 11Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo.
- 12Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana.
- 13Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
- 14Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
- 15Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
- 16Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin’ny malahelo]
- 17Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra.
- 18Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.
- 19Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
- 20Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
- 21Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.
Toko 13
- 1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra.
- 2Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
- 3Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
- 4fa mpanompon’Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy.
- 5Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
- 6Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
- 7Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana’tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina.
- 8Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
- 9Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’olona (Eks. 20. 13-17), mbamin’izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
- 10Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
- 11Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika.
- 12Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.
- 13Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana.
- 14Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
Toko 14
- 1[Ny amin’ny handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
- 2Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
- 3Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
- 4Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
- 5Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy izy.
- 6Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo, sady misaotra an’Andriamanitra koa izy.
- 7Fa tsy misy velon-ko an’ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ny tenany.
- 8Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany.
- 9Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy.
- 10Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.
- 11Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra (Isa. 45. 23).
- 12Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.
- 13Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy. [* Gr. mitsara]
- 14Mahalala sady matoky ao amin’i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
- 15Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
- 16Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3]
- 17Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
- 18Fa izay manompo an’i Kristy amin’izany zavatra izany no sitrak’Andriamanitra sy eken’ny olona fa tsara.
- 19Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
- 20Aza izay hanina no andravanao ny asan’Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafintohinana.
- 21Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina* ny rahalahinao. [* Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy]
- 22Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay zavatra ekeny.
- 23Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana.
Toko 15
- 1Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
- 2Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.
- 3Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
- 4Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
- 5Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an ’i Kristy Jesosy,
- 6mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 7Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo* koa ho voninahitr’Andriamanitra. [* Na: (antsika)]
- 8Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ny voafora noho ny fahamarinan’Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana,
- 9mba hankalazan’ny jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
- 10Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin’ny olony (Deo. 32. 43).
- 11Ary koa: Midera’an’i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).
- 12Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon’i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian’ny jentilisa (Iza. 11. 10).
- 13Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.
- 14Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
- 15Kanefa amin’ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy,
- 16mba ho mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ny itoriako ny filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
- 17Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin’i Kristy Jesosy aho noho ny amin’Andriamanitra.
- 18Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
- 19dia tamin’ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran’i Kristy. [* Na: (Fanahin’Andriamanitra)]
- 20Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho;
- 21fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
- 22Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
- 23Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin’ireto tany ireto sady efa naniry hatramin’ny taona maro hankany aminareo aho,
- 24raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin’ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
- 25Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
- 26Fa efa sitrapon’Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ny olona masina any Jerosalema.
- 27Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.
- 28Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
- 29Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy.
- 30Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy,
- 31mba ho voavonjy amin’ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan’ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
- 32mba hankanesako any aminareo amin’ny fifaliana, raha sitrapon’Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
- 33Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
Toko 16
- 1[Famangiana sy teny farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon’ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
- 2mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa.
- 3Veloma amin’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy;
- 4izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny jentilisa koa.
- 5Ary veloma amin’ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’i Asia ho an’i Kristy.
- 6Veloma amin’i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
- 7Veloma amin’i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ny Apostoly sady tao amin’i Kristy talohako.
- 8Veloma amin’i Ampliato, malalako ao amin’ny Tompo.
- 9Veloma amin’i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin’i Kristy, sy Staky malalako.
- 10Veloma amin’i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’i Kristy. Veloma amin’ny ankohonan’i Aristobolo.
- 11Veloma amin’i Herodiona havako. Veloma amin’ny ankohonan’i Narkisa, izay ao amin’ny Tompo.
- 12Veloma amin’i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin’ny Tompo.
- 13Veloma amin’i Rofosy, ilay voafidy ao amin’ny Tompo, ary amin’ny reniny sy reniko.
- 14Veloma amin’i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin’ny rahalahy ao aminy.
- 15Veloma amin’i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy.
- 16Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an’i Kristy manao veloma anareo.
- 17Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.
- 18Fa izy ireny tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina.
- 19Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’izay ratsy.
- 20Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 21Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
- 22Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.
- 23Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
- 24* [* Ampio hoe: [24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika Amena]
- 25Ary ho an’izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,
- 26fa efa naseho ankehitriny tamin’izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
- 27ho an’Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.