Efesiana
Accés rapide à un CHAPITRE :
1
2
3
4
5
6
Toko 1
- 1[Fiarahabana nataon’i Paoly, sy fiderany an’Andriamanitra noho ny soa avy amin’ny avotra nataon’i Kristy] Paoly, Apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin’i Kristy Jesosy: [* Na: mino an’]
- 2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- 3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
- 4araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
- 5rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy* amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, [* Na: amin’ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]
- 6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala.
- 7Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany,
- 8izay nataony be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
- 9rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany,
- 10hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray]
- 11ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova]
- 12mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’i Kristy rahateo.
- 13Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
- 14Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
- 15[Fivavahana ho an’ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran’ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’i Jesosy Tompo izay hitan*’ny olona masina rehetra, [* Na: (ny finoanareo an’i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)]
- 16dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako,
- 17mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara,
- 18ary mba hampahiratina ny mason’ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ny fiantsoany sy izay haren’ny voninahitry ny lovany eo amin’ny olona masina,
- 19ary ny fihoaran’ny halehiben’ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ny herin’ny faherezany,
- 20izay nataony tao amin’i Kristy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ny tànany ankavanana any an-danitra,
- 21ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa,
- 22dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
- 23izay tenany, dia ny fahafenoan’izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra.
Toko 2
- 1Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
- 2izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana;
- 3teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
- 4Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika,
- 5na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
- 6ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy,
- 7mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny haren’ny fahasoavany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy.
- 8Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra;
- 9tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
- 10Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
- 11[Ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny jentilisa amin’ny andraisany azy ho ao amin’ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora -
- 12eny, tsarovy fa tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Isiraely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao;
- 13fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy.
- 14Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
- 15fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
- 16ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
- 17Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin’izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
- 18Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray.
- 19Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra,
- 20natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
- 21ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo.
- 22Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy.
Toko 3
- 1[Ny nanendrena an’i Paoly ho Apostolin’ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an’ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
- 2raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
- 3fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
- 4Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’i Kristy,
- 5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
- 6dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
- 7izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ny heriny.
- 8Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ny jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany,
- 9ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
- 10mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra amin’ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
- 11araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika,
- 12Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin’ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
- 13Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
- 14Ary noho izany no andohalehako amin’ny Ray
- 15Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
- 16mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
- 17mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo,
- 18mba hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
- 19ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
- 20Ary ho an’izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
- 21ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana* sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]
Toko 4
- 1[Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin’]
- 2amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana,
- 3mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.
- 4Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
- 5iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
- 6iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.
- 7Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra.
- 8Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ny olona (Sal. 68. 18).
- 9(Ary ny amin’ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina* ho any ambanin’ny tany koa? [* Na: (nidina aloha)]
- 10Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
- 11Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
- 12ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana*, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, [* Gr. eklesia]
- 13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy;
- 14mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
- 15fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha, dia Kristy;
- 16Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
- 17[Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin’ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy;
- 18fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ny fony,
- 19dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.
- 20Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy,
- 21raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy,
- 22mba hialanareo ny toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; [* Gr. olonareo]
- 23fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo,
- 24ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona]
- 25Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.
- 26Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
- 27Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.
- 28Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
- 29Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.
- 30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.
- 31Esory aminareo ny fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana]
- 32ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Toko 5
- 1Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
- 2ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana* amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [* Gr. fanatitra alatsa-drà]
- 3Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
- 4na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
- 5Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
- 6Aza mety hofitahin’olona amin’ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana.
- 7Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
- 8Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
- 9(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
- 10mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.
- 11Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
- 12Fa izay ataony ao amin’ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
- 13Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
- 14Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
- 15Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
- 16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
- 17Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.
- 18Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
- 19ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo,
- 20misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika,
- 21sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy,
- 22Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
- 23Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]
- 24Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana* an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]
- 25Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]
- 26mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny;
- 27mba horaisiny* ho an’ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony] [** Gr. eklesia]
- 28Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
- 29Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana*; [ Gr. eklesia]
- 30fa momba ny tenany isika.
- 31Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
- 32Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]
- 33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra]
Toko 6
- 1Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany.
- 2Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
- 3mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ny tany (Deo. 5. 16).
- 4Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.
- 5Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo, toy ny fanekena an’i Kristy ihany,
- 6tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo,
- 7amin’ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olona,
- 8satria fantatrareo fa izay soa ataon’ny olona rehetra no horaisiny amin’ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
- 9Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’olona aminy.
- 10[Ny adim-panahin’ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr’Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.
- 11Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
- 12Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra*. [* Gr. lanitra]
- 13Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
- 14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
- 15ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo;
- 16ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.
- 17Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
- 18ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra,
- 19ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
- 20(iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]
- 21Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
- 22izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
- 23Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
- 24Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.