Filipiana
Accés rapide à un CHAPITRE :
1
2
3
4
Toko 1
- 1[Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny mpitandrina* sy ny diakona izay any Filipy; [* Gr. episkopo]
- 2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- 3Misaotra an’Andriamanitro amin’ny fahatsiarovako anareo
- 4mandrakariva aho amin’ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ny fifaliana,
- 5noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
- 6ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesosy Kristy;
- 7fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ny fifatorako, na amin’ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
- 8Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ny famindram-pon’i Kristy Jesosy.
- 9Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
- 10mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra*, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy ianareo, [* Na: samy hafa]
- 11sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
- 12[Ny toetr’i Paoly tao amin’ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
- 13ka ao amin’i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra* mbamin’ny olona hafa rehetra; [* Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran’ny pretoria]
- 14ary ny ankabiazan’ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra.
- 15Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ny sasany an’i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ny sasany;
- 16fitiavana ny an’ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
- 17fifampiandaniana kosa no itorian’ny sasany an’i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
- 18Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ny atao rehetra, na amin’ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
- 19Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana* ny Fanahin’i Jesosy Kristy, [* Na: fanomezan’]
- 20araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’inona na amin’inona; fa amin’ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’i Kristy ao amin’ny tenako, na amin’ny fiainana, na amin’ny fahafatesana.
- 21Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
- 22Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hahavokaran’ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
- 23fa sanganehana eo anelanelan’izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;
- 24kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
- 25Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo,
- 26mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’i Kristy Jesosy amin’ny hankanesako atỳ aminareo indray.
- 27Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
- 28ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona; fa amin’ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’Andriamanitra.
- 29Fa ianareo efa nomena noho ny an’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
- 30dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
Toko 2
- 1[Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an’i Jesosy Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
- 2dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
- 3tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
- 4Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.
- 5Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa,
- 6Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra,
- 7fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona;
- 8ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.
- 9Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
- 10mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany,
- 11sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.
- 12Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
- 13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
- 14Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
- 15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao,
- 16mitana ny tenin’ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
- 17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ny fanatitra ny fisoronan’ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
- 18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
- 19[Ny amin’i Timoty sy Epafrodito] Nefa manantena ao amin’i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
- 20Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko* aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. [* Na: aminy]
- 21Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesosy Kristy;
- 22izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
- 23Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
- 24Fa matoky ao amin’ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
- 25Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo* sy mpanompo hanome izay nilaiko. [* Gr. apostolinareo]
- 26Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
- 27Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
- 28Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
- 29Koa raiso ao amin’ny Tompo izy amin’ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;
- 30fa saiky maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy.
Toko 3
- 1[Anatra nataon’i Paoly mba tsy haneken’ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin’ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia* ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [* Na: veloma]
- 2Tandremo ny tenanareo amin’ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ny voakilema.
- 3Fa isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary manao an’i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ny nofo;
- 4kanefa mba manana izay hitokiako amin’ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho;
- 5fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho, avy amin’ny fototr’isiraely, dia avy amin’ny firenen’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
- 6araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana*; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. [* Gr. eklesia]
- 7Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy.
- 8Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy;
- 9ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ny lalàna, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana;
- 10eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitovina amin’ny endriky ny fahafatesany,
- 11raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty.
- 12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy.
- 13Ry rahalahy, tsy mbola ataoko* fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [* Na: (tsy nataoko)]
- 14eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony* ao amin’i Kristy Jesosy. [* Na: ho any ambony]
- 15Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
- 16Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
- 17Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
- 18Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy ireny;
- 19fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ny tany izy.
- 20Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
- 21Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
Toko 4
- 1Ary amin’izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ny Tompo ianareo, ry malalako.
- 2Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy.
- 3Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy, mbamin’i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ny bokin’ny fiainana.
- 4Mifalia* mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma]
- 5Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
- 6Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
- 7Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
- 8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
- 9Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
- 10[Saotra nataon’i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an’i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
- 11Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
- 12Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
- 13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy.
- 14Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
- 15Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin’ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia]
- 16Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
- 17Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
- 18Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany.
- 19Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra no amin’i Kristy Jesosy.
- 20Ary ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 21Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
- 22Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara.
- 23Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo.
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.