Titosy
Accés rapide à un CHAPITRE :
1
2
3
Toko 1
- 1[Fiarahabana] Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apostolin’i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,
- 2amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
- 3fa tamin’izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin’ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
- 4ho an’i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
- 5[Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian’ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona* amin’ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [* Gr. presbytera]
- 6raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra.
- 7Fa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
- 8fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
- 9mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema* sady handresy lahatra ny mpanohitra. [* Gr. salama]
- 10Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ny voafora -
- 11tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
- 12Hoy ny anankiray amin’ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda".
- 13Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana, [* Gr. salama]
- 14tsy mitandrina ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didin’ny olona izay mivily miala amin’ny fahamarinana.
- 15Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ny olona madio; fa raha amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
- 16Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
Toko 2
- 1[Ny mety hataon’ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon’olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema*; [* Gr. salama]
- 2ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka* amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana. [* Gr. salama]
- 3Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
- 4mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
- 5hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy* ny tenin’Andriamanitra. [* Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat. 9,3]
- 6Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
- 7ka amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
- 8ny teny tsy misy kilema*, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [* Gr. salama]
- 9Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
- 10tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.
- 11Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
- 12mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,
- 13miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
- 14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.
- 15Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
Toko 3
- 1Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,
- 2tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.
- 3Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
- 4Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
- 5dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,
- 6Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
- 7mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
- 8Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’izay efa mino an’Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
- 9Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
- 10Izay mpanao hevi-diso*, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [* Na: olona mitokana ho azy]
- 11satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
- 12Rehefa maniraka an’i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
- 13Mazotoa hamoaka an’i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
- 14Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
- 15Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
Suivez-nous sur facebook :
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.